Doris Rabemanantsoa

Doris Rabemanantsoa

Share

07/02/2023

🧠Ny fisainana mpanakarena no mila ananana raha te hiala amin'ny fahantrana🧠
❌Tsy ny fananana vola be akory no ilaina raha te ho mpanakarena fa ny fanananao ny toetsaina mpanakarena.

Ireto avy ary ny fomba fiainana mpanakarena tiako zaraina aminareo ary mahasoa raha alahintahaka.
💡 Misafidy ny mamaky boky raha tokony hanaraka vaovao tsy mahasoa. Tia mamaky boky ny mpanakarena satria ao ny fahalalana tena ilaina aminy fiainana andavanandro.
💡Misafidy ny mampitombo fidiram-bola.
Ny mahantra mampitombo ny vola mivoaka aminy alalan'ny fividianana zavatra etsy sy eroa fa ny mpanakarena kosa mifantoka aminy actifs na zavatra hahafahany mampitombo foana ny vola miditra.
💡Miaina aminy fanaovana budget.
Na mbola kely ary ny volany dia tsy hadinony mihitsy ny manao budgét mba hahitany ny lalana nandehan'ny volany ka misy hanovany famindra. Ny mahantra kosa tsy manao budget
💡Tsy tia manangona
Raha izy zay manangona dia mba hiarovana aminy tampoka fa ny ankotrizay dia ampiasainy satria mahafantatra izy fa ny vola dia fitaovana hanampy azy hiasa fa tsy hanandevo azy foana. Ny mahantra kosa manangona fa tsy sahy mampiasa.
💡Mampiasa ny trosa fa tsy ampiasain'ny trosa.
Mampiasa ny trosa izy satria iny volan'olona ampiasainy iny iany no hamerenany ny trosa nalainy fa ny toetsaina mahantra kosa satria mitrosa izy dia ny vatany no miasa mafy manonitra ilay trosa sy ny zana-bola averina
💡 Manome lanja ny harena tsy hitamaso.
Ny mahantra raha harena no resahana dia ny harena hitamaso foana ( trano, fiara, fitaovana sns… ) fa ny mpanakarena dia ny ao anaty ka izay mahatonga azy mandany vola mameno fahalalana ao anatiny. Izay mahatonga azy mahita zavatra atao foana na kely ny volany na betsaka , izay mahatonga azy tsy ho mahantra mihitsy satria ny harena ao anatiny tsy ho very na atahorana ho main'ny afo mihitsy.
Ny fanananao an'ireny toe-tsaina ireny fotsiny dia hanova sy hanatsara ny fiainanao mankany aminy fahombiazana.
🎯Tsy maintsy TAFITA ianao, Tsy maintsy TAFA Isika

Want your public figure to be the top-listed Public Figure in Toamasina?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Telephone

Website

Address


Toamasina
501