IRMAR Fianarantsoa

IRMAR Fianarantsoa

Share

26/06/2026

Ry Malagasy namako,
Manina ny Tanindrazako aho amin'izao
Asaramanitra izao.
Fa indrindra mahatsiaro anareo Malagasy tsivakivolo
miatrika ny fetim-pirenena.

Ato am-poko manokana ianareo nidonam-pahoriana,
mandalo tsy fahasalamana, miady amin'ny fahasahiranana.
Mivavaka manokana ho anareo aho,
hitraka sy hijoro hatrany anie ianareo.

Mahatsiaro manokana ihany koa,
anareo izay mandalo fisedrana sy fanenjehana nohon ny fitiavan-tanindrazana .
Tsy irery ianareo ary miray fo aminareo aho.

Miredareda toy ny afo tsy maty ato am-poko
ny Fitiavako ny tanindrazako.
Tsy maintsy hiposaka ilay masoandro hanazava
an'i Madagasikara malalantsika.
Ny finoana no mitari-dalana antsika amin'izany.

Mirary Asaramanitra feno fitahiana
ho anao sy ny Malagasy rehetra ny tenako.
Samia ho tahin'Andriamanitra sy ho
arovany mandrakariva isika rehetra.

Andry Rajoelina
Ato am-poko ianareo.


-pirenena

20/01/2026

❗️ TSY RARINY, TSY ARA-DALÀNA !
SAHONDRARIMALALA Marie Michelle dia nogadraina nefa tsy nisy interrogatoire natao tao amin’ny Cour Suprême.
➡️ Tsy misy acte d’accusation.
➡️ Tsy misy vavolombelona.
➡️ Tsy mbola nisy fitsarana.
❗️ Efa ela no tokony nafahana izy, kanefa mbola tazonina am-ponja hatramin’izao.
⚖️ Izany dia détention arbitraire mibaribary sy fanitsakitsahana ny zon’olombelona.
👉 Tsy maty ny marina. Tsy azo sakanana ny rariny.

10/01/2026

IREO VEHIVAHY IRMAR Fianarantsoa
✅Mangataka ny hamelana hody an'i Deputé Marie Michelle

20/12/2025

📍 Final Fitia Manintsana – 27 Décembre | Gymnase Ambatomena🏀 Manohy manandratra ny tanora sy ny basket hatrany ny Solombavambahoaka Dr Marie Michelle Sahondrarimalala.

Want your organization to be the top-listed Government Service in Fianarantsoa?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Telephone

Website

Address


QG-Tsianolondroa
Fianarantsoa
301