ROFIA 91.4 FM - Radio Fianarantsoa
04/07/2026
🎶 DAMA EN CABARET A FIANARANTSOA ! 🎶
Préparez-vous à vivre une soirée exceptionnelle en compagnie de Dama, figure emblématique de la musique malgache. 💥💥💥
03/07/2026
⚡⚡⚡ Ho fitandrovana ny fahasalam-bahoaka, manoloana ny tsaho miparitaka fa nisy tranga fahapoizinana ara-tsakafo vokatry ny finanana m**o dipaina teto Fianarantsoa, nandray andraikitra avy hatrany ny Fitaleavam-paritry ny varotra sy ny fanjifana ka nanao fitsirihana tampoka ireo Boulangerie eto Fianarantsoa ary tao aorian'izay nitsidika teny amin'ny Hopitaly Tambohobe.
💦💦💦 Tao aorian'izay no nahafahan'izy ireo nilaza fa ara-dalana tsara ireo daty sy toerana fitahirizana lafarinina tamin'ireo toerana mpamokatra m**o dipaina voatsidika ary tsy nahitana marary vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo ihany koa teny amin'ny Hopitaly.
📢📢📢 Ankoatra ny fitsirihana nataon'ny mpiasa eo anivon'ny Fitaleavam-paritry ny varotra sy ny fanjifana Faritra Matsiatra Ambony , nanao fanentanana mahakasika ny fahadiovana amin'ny famokarana sy fivarotana m**o izy ireo, indrindra ny fahamailona amin'ny fanaraha-maso ny daty sy ny kalitaon'ny akora fototra mialohan'ny hikarakarana sakafo.
🌍 📰 Ny VAOVAO Atoandro 📰 🌍
📅 01 Jolay 2026
🌍 📰 Ny VAOVAO Hariva 📰 🌍
📅 29 Jona 2026
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
Fianarantsoa
301