ADEF Fianarantsoa

ADEF Fianarantsoa

Share

27/10/2022

TE HAHAFOLAKA TENY VAHINY VE IANAO?

ireto misy torohevitro, nahombiazako t@ teny allemand ireto ka zaraiko am-pitiavana satria marobe ny manontany.

0. AO AMINAO ny LAKILE fa tsy any @ mpampianatra na @ ny sekoly. MILA FINIAVANA 100% avy aminao. Raha tsy izay dia avelao.

1. Mila manaraka cours sy manana boky ihany anefa ho mba hanana pitarika sy hanana mpitsara.

SAINGY IRETO NY ANJARABIRIKINAO

2. Omany MIALOHA any an-trano @ boky izay hoataon'ny mpampianatra manaraka ary vitainao irery MIALOHA izay exercices REHETRA isaky ny chapitre anaty boky.
Amin’izay isan’ny sangany ianao rehefa mamerina manao ireo exercice ireo ao an-dakilasy. Nataoko izany. 😉 Vao tany am-piandohana dia niavaka t@ tsara ary nitombo be ny fahatokisan-tena.

3. Mamaky teny mafy 1h isanandro manazatra ny vavanao sy ny sofina. Mitadiava hefitrano mihidy na miakara any an-tafotrano ianao irery de mamakia mafy ilay teny ianarana isanandro isanandro. Odio fanina any ny mpanondro molotra.

4. Manaraka video sy youtubes (azonao asina sous-titres). Manaraka tantara.

5. Mianatra tsianjery ireo verbes irreguliers sy gramaires ary articles rehetra.

6. Sahy miteny ilay teny miaraka am namana fa tsy menamenatra na eny imasom-bahoaka aza, aleo ny mpialona himenomenaona. Miteny foana na misy diso aza.

7. Maka namana tia fianarana hiarahana mianatra. Tsaroako eto ny namako roa vavy Hanitra sy Tompokovavy Lalaina niaraka nianatra mafy tamiko sy niteny allemand hatrany na dia tany anaty 119 aza.

8. Tsy matahotra vazaha… Tonga dia miresaka. Alaviro ne henatra, Aza mifezepezaka ary teneno foana na diso aza. Izy no hanitsy ano rehefa hitany fa sahy ianao.

9. Midira groupe manao teatra na zavatra toy izany amin’ilay teny fa mahasoa ny famerimberenana texte. Na reha misy tononkalo tianao dia ianaro tsianjery an-kafaliana.

10. Mizara manoratra hatrany ary iangavio olona mahay na mpampianatra hitsara (aza alefa aty amiko anefa, miala tsiny aho fa tsy manam-potoana fa efa ity no fizarana ataoko maimaim-poana).

11. Araraoty raha misy occasion na bourse na stage andehanana mianatra sy miaina ilay teny any ifotony. Mampivelatra saina be io. AZA IFIRANA anefa ny nanoro lalana na namoaka anao fa MAHAIZA MODY sy MANAKA NY CONTRAT NIFANARAHANA mba tsy hanimba my ampitsonao sy ny lalan’ny hafa manaraka anao.

Fehiny: @ satria AMINAO NY LAKILE

Mino aho fa mety amin’ny teny rehetra ireo - Afaka manampy izay mahita fanatsarana hafa…

Ny fahafehezana teny iray dia manokatra vavahady be vaovao amin’ny ampitsonao.
Ny marina mitavozavoza mantsy resin’ny marina tsara lahatra!

12/10/2022

PROGRAMA FIOFANANA ATO AMIN'NY ADEF FIANARANTSOA.

1- FIANARANA PÂTISSERIE POUR LES DÉBUTANTS:
Date:15 octobre
Prix :16.000ar (efa tafiditra ao ny ingredients)
Ireto ny recettes hianarana:
-Churros
-Pao
-Tacos
-Flan
-crêpe
=
2- COURS DE FRANÇAIS
Parlé sy écrit.
Fidirana: 02 et 09 Novembre 2022
Droit: 30.000ar
Faharetany: 2 volana.
Tsy misy ecolage intsony.
=
3- COURS GUITARE:
Fidirana : 04 et 011 Novembre 2022
Faharetany: 2 volana.
Droit: 30.000ar
Tsy misy ecolage intsony.

Efa misokatra ny fisoratana anarana.
Toerana: ANDRAINJATO Atsimon'ny arrêt bus 40 sy 38./ Atsinanan'ny fac sciences.
Contact:0349667089.
N.B : -Izay mahatarika olona dimy (05) ato aminay dia miofana maimaimpoana .

03/10/2022

PROGRAMA FIOFANANA ATO AMIN'NY ADEF FIANARANTSOA.

1- FIANARANA PÂTISSERIE POUR LES DÉBUTANTS:
Date:08 octobre
Prix :16.000ar (efa tafiditra ao ny ingredients)
Ireto ny recettes hianarana:
-Churros
-Pao
-Tacos
-Flan
-crêpe
=
2- COURS DE FRANÇAIS
Parlé sy écrit.
Fidirana: 05 octobre 2022
Droit: 30.000ar
Faharetany: 2 volana.
Tsy misy ecolage intsony.
=
3- COURS GUITARE:
Fidirana : 06 octobre 2022
Faharetany: 2 volana.
Droit: 30.000ar
Tsy misy ecolage intsony.

Efa misokatra ny fisoratana anarana.
Toerana: ANDRAINJATO Atsimon'ny arrêt bus 40 sy 38.
Contact:0349667089.
N.B : -Izay mahatarika olona dimy (05) ato aminay dia miofana maimaimpoana .
- Ho an'ny PÂTISSERIE dia Ireo 10 misoratra anarana alohan'ny zoma 07 octobre kosa dia mahazo réduction 25%.

28/09/2022

ATELIER GÂTEAU À LA CRÈME NY SABOTSY 01 OCTOBRE 2022.
=
TOERANA : ANDRAINJATO atsimon'ny arrêt bus 40 sy 38.
Fandraisana anjara: 20.000ar ( efa ao ny ingredients)

Fisoratana anarana: efa misokatra dieny izao ao @ birao ADEF Fianarantsoa.

Contact: 0349667089

Want your university to be the top-listed University in Fianarantsoa?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Telephone

Website

Address


Andrainjato
Fianarantsoa
301