AndrYmage
09/06/2026
⚠️💔 TANDREMO… AZA MIARAKA AMIN'NY LEHILAHY DISPONIBLE LAVA 💔⚠️
Tsy ny lehilahy rehetra mora hita sy mora mamaly foana akory no tena tia marina… 😔
Misy amin’izy ireny no tsy manana tanjona mazava, tsy manana adidy, ary tsy mahay mametraka lanja ny fotoana sy ny fiainany. ⏳🚫
Lehilahy tena miezaka amin’ny fiainana dia mety tsy ho disponible mandrakariva 📵💼
Satria misy asa ataony, misy nofinofy tratrariny, misy adidy iantsorohany, ary misy hoavy aoriny ho anareo roa. ❤️🏠
Fa ilay lehilahy disponible lava kosa… 🤨
Rehefa maraina dia eo ☀️
Rehefa atoandro dia eo 🍽️
Rehefa alina dia mbola eo 🌙
Tsy misy asa mazava, tsy misy zavatra ataony afa-tsy manara-maso anao sy miady amin’ny zavatra tsy misy dikany. 😩📱
⚠️ Ary matetika…
Ilay olona tsy mandany fotoana hananganana ny fiainany no mandany fotoana hanakorontanana ny fiainan’ny hafa. 💔
Aza afangaro ny “fahazoana fotoana” sy ny “fitiavana”.
Satria misy lehilahy tena tia anao nefa mbola miady mafy amin’ny fiainana 💪❤️
Mety tara mamaly izy…
Mety tsy afaka miantso lava…
Fa rehefa tonga izy dia mitondra fiadanana sy vina ho an’ny hoavinareo. 🌟👨👩👧
Ny lehilahy matotra tsy miresaka fitiavana tontolo andro fotsiny…
Fa manomana toerana hahafahanareo miaina tsara rahatrizay. 🏡💍
👑 Vehivavy hendry dia tsy mijery izay disponible lava…
Fa mijery hoe:
✅ Mahay mandray andraikitra ve ?
✅ Manana tanjona ve ?
✅ Mampandroso sa mampihemotra ?
✅ Rehefa miaraka aminy ve ianao milamina sa reraka saina ? 😔
💡 Tadidio:
Tsy ny “temps” omeny anao no maha-lehilahy azy…
Fa ny lanja sy ny fiarovana entiny ao amin’ny fiainanao. ❤️🛡️
⚠️ Koa tandremo…
Satria misy lehilahy disponible lava nefa tsy vonona hitondra anao amin’ny fiainana tsara akory. 😢
✨ Ny fitiavana tena izy tsy hoe miaraka mandrakariva…
Fa mifampitsinjo, mifampandroso ary mifampitondra amin’ny lalana tsara. ❤️🙏
Aza adino fa mizara ny soa ho anao mandrakariva aho
Satriko ianao ho Malagasy vanona 🇲🇬
Steeve Johnson ✍️
Sary fanehoana fotsiny tompoko io!!!
MATCH DIRECT ENY AM TANANAN'NY MPANAKANTO ??
HOAVY TSY HO ELA NY INFO
😱😱😱😱🙈😅
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the public figure
Telephone
Website
Address
Rn7
Fianarantsoa
301