Tokisme
25/09/2021
Rankizy: hajao foana ny Ray sy reninao, na toy inona kilemany, na toy inona fahantrany, na toy inona hadisoana vitany....mahaiza miresaka sy maneho hevitra am-panajana. Ny fanozonana sy fanompana Ray aman-dreny tompoko dia tena fanozonan-tena sy fanompana tena, satria ra an'izy ireo no mikoriana ao aminao. Ary sahirana ianao vao ho tafavoaka, fa raha efa nanao izany mangataha famelana.
Ry Ray aman-dreny: marina fa tsy te hanan-dratsy ianareo, fa fadio tompoko, tena fadio mihitsy ny mampitaha ny zanakareo amin'ny zanak'olona, fadio ny manambany sy manamaivana azy fa misy akony goavana eo amin'ny psykolojiany izany. Tsy akoho garazena tompoko ny zaza ka fahanana sakafo, sy tafian-damba ihany, fa omeo fitiavana izy raha tsy tianareo ho kely dia hiantsampy sy hitia olonkafa....ametraho fahatokisana izy mba hatoky tena, ankasitraho izy, @ kely vitany isan'andro, omeo lanja foana izy na dia bitika sy kely sy tsy Mbola nahita fiainana aza....
Alaivo namana izy, fa ny mpinamana ange mifampitoky e! Manaova lalao iombonana, miaraha mivoaka matetika, ampianaro fiainana izy, ary indrindra: " aoka izay lazain'ny vavanao porofoin'ny ataonao"...
Tsy mbola Ray aman-dreny aho tompoko, saingy mpampianatra ny taranja filozofia eny amin'ny lisea, ka mahatsikaritra ny fahapotehana vokatry fanabeazana goragora.....
Dada sy neny ô! Teny mamy sy mahasoa ireo ka saino sy diniho aloha ary aoka tsy ho tsiniko raha nahatohina.
Rankizy ô/ ry Tanora namako ô! Tsara ny manana mokondoha, tsara ny be ny hambo-po fa mahaiza mandinika, am-pisainana, mahaiza misaina am-pitiavana fa izay volenao no hotazanao.
Ny fiangaviako dia ny hanaparitahanao be ity lesona androany ity fa marary ny fiarahamonitsika.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Fianarantsoa