CFP3A

CFP3A

Share

12/10/2022

NOVOLAVOLAINA HO MPIASA NY TANORA MALAGASY FA TSY HO MPAMPIASA.

Bonjour Monsieur Joel...
-Manana vola kely aho fa tsy manana idée de business .
-Inona kay ny zavatra mandeha amin'izao?
-Mba omeo idée de business afaka atao.
-Aiza kay no tsara hanaovana investissement amin'izao?
-Maninona aho no tsy mety mahita idée mihitsy?

Valiny:
-Satria tsy misokatra ny vavahadin-tsainao.

Tadidio fa maro amin'ny tanora Malagasy no novolavolaina ho mpiasa fa tsy novolavolaina ho mpampiasa.

Nampianarina mba hamerin-javatra fa tsy nampianarina mba hamoron-javatra.

Nizarina hitadidy zavatra fa tsy nizarina hikaroka zavatra.

Ry tanora namako,
Tadidio fa ny orinasa nitsangana rehetra dia nanomboka tamina hevitra na idée de business avokoa.

Mora kokoa anefa ny ahazoanao idée de business rehefa misokatra ny vavahadi-tsainao.

Ireto misy teboka vitsivitsy hanampy anao hanokatra ny vavahadin-tsainao.

1 - MIANARA MBA HAHAY ZAVATRA FA AZA MIANATRA MBA HAHAZO DIPLOMA.

Samy hafa tompoko ny manam-pahaizana sy ny manana diploma.
Tadidio fa ny diploma azonao vidina, azonao hisandohana fa ny fahaizana tsy azonao hisandohana.

"Ne confondez pas l'éducation et l'intelligence."

2- MIZARA MAMPIANA-TENA
Mamakia boky,manaova formation, manaova recherche zava-baovao mba hampivelatra sy hampisokatra kokoa ny sainao.

3- MAHAIZA MIJERY FIAINAN'OLONA MAHOMBY
Aza raisina ho fahavalo ny olona mahomby.
Aza fosafosaina ny olona mahomby.
Manetre-tena dia mianara sy mandraisa lesona tamin'ny nahombiazany

Avadio ho source-ny motivation nao ny olona mahomby.

4- MAHAIZA MIJERY NY TONTOLO MANODIDINA ANAO.
Misy zavatra tompoko tsy ho hitanao ao an-trano sy ao anaty fiara.

Avadio ny masonao sy ny sofinao mba ho lasa "detecteur d'idée" na "detecteur d'opportunité"

Mandehana midina eny ifotony amin'ny fiaraha-monina misy anao eny.
-Inona ny ilain'olona?
-Inona ny tadiavin'olona?
-Inona ny probleme-n'olona?
-Inona ny mampitaraina ny olona?
-Inona ny mampimenomenona ny olona?

Tadidio fa "idée de business" be dia be no valin'ireo baraingo ireo.

Ny mpandraharaha maneran-tany dia manana équation hiraisana hoe:
[ Probleme = Opportunité ]

Opportinuté hanangananao ny orinasanao avy hatrany ny valin'ireo fanontaniana ireo.

Ry namana, mifohaza dia sokafy ny vavahadin-tsainao.

Meteza ho mpitondra vahaolana
Meteza ho fanasin'ny tany

Ndao hanova zavatra

Want your school to be the top-listed School/college in Ambositra?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address


De Commerce Ampivarotanomby
Ambositra
306