PADDI
05/06/2026
🇲🇬Izay fantatra no tiana, ary izay tiana no arovana 🌿🌿🌿
🇨🇵 On aime ce que l’on connaît, et l’on protège ce que l’on aime 🌿🌿🌿
-----
🇲🇬Izay fantatra no tiana, ary izay tiana no arovana 🌿🌿🌿
Zava-dehibe ny fampitombona ny fifandraisan’ny olona amin’ny zavaboary manodidina azy. Mora kokoa mantsy ny miaro izay fantatra sy izay hita fa manan-danja eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Rehefa tsapan’ny tsirairay ny soa entin’ny tontolo iainana na koa ny rohivoary isitrahintsika ny rano, ny sakafo, ny fahasalamana, ny fivelomana … dia lasa adidy iaraha-misalahy ny fiarovana azy.
🌳🌱🐾💦🌅ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TONTOLO IAINANA 🌳🌱🐾💦🌅
-----
🇨🇵 On aime ce que l’on connaît, et l’on protège ce que l’on aime 🌿🌿🌿
Nous protégeons mieux ce qui a du sens et de la valeur pour nous. Il est essentiel de renforcer le lien entre les populations et la nature qui les entoure. Une nature qui fait vivre, rassemble et inspire devient une nature que chacun veut préserver. C’est une source de vie, d’avenir et d’espoir. En effet, il est plus facile de protéger ce que l’on connaît et ce que l’on reconnaît comme important dans notre vie quotidienne. Lorsque chacun prend conscience des bienfaits que procure notre environnement, ou des services que nous bénéficions grâce à notre écosystème, comme l’eau, la nourriture, la santé ou encore les moyens de subsistance … sa préservation devient une responsabilité collective et un engagement partagé. On ne protège durablement que ce que les gens ont intérêt à protéger.
🌳🌱🐾💦🌅 JOURNEE MONDIALE DE L'ENVIRONNEMENT🌳🌱🐾💦🌅
GIZ Madagaskar
Ambassade d'Allemagne Antananarivo
01/06/2026
🇲🇬Famporisihana ny fandraharahana eny ambanivohitra ho an’ny tantsaha
🇨🇵 Inspirer les paysans à l’entreprenariat rural
-----
🇲🇬 Famporisihana ny fandraharahana eny ambanivohitra ho an’ny tantsaha
Araka ny hitantsika teo aloha dia manana fahafahana mianatra fomba vaovao ny tantsaha eny anivon'ny Saha Sekoly Tantsaha na CEP.
Toy ny ao amin’ny sahandriaka Antongombato (DIANA), efa manomboka mamokatra komposta biolojika ranoka ny tantsaha.
Eo ihany koa ao Befotoana (Kaominina Marosakoa – Boeny), misy mpamokatra efa mahavita mivarotra izany komposta ranoka izany amin’ny vidiny 15 000 Ariary isaky ny litatra.
Ireo ohatra ireo dia mampiseho fa azo atao tsara ny mamorona asa maitso sy mampiroborobo ny fandraharahana eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny asa tsotra sy azo ampiharina.
Raha misy fanofanana sy fanohanana tsotra sy tsara, dia azo avadika loharanom-bola lehibe ho an’ny tantsaha ny asa fambolena sy ny vokatra avy aminy.
Hitantsika eto amin'ny sary ny famokarana zezika komposta ranoka eny anivon'ny CEP iray ao Boeny.
-----
🇨🇵 Inspirer les paysans à l’entreprenariat rural
Les paysans bénéficient des opportunités d’apprentissages offertes au niveau des Champs Ecoles Paysans. La fabrication de Compost biologique liquide a déjà commencé au niveau du micro bassin versant d’ Antongombato (DIANA). Quant à celui de Befotoana (dans la Commune Marosakoa - Boeny), un producteur commence déjà à vendre le compost liquide à 15.000Ar/litre. Créer des emplois verts ou renforcer l’entreprenariat rural peut commencer par ces types d’actions.
La photo ci-après nous présente une des réalités sur la production de compost liquide auprès d'un CEP à Boeny.
GIZ Madagaskar
Ambassade d'Allemagne Antananarivo
Délégation de l'Union européenne à Madagascar et en Union des Comores
18/05/2026
📝📝📝"Hi-STORYn'tsika" 📝📝📝
🇲🇬 Fihetsika hafa kely sady mitsinjo ny ho avy
🌾🌾🌾Gaga sady faly ny ekipanay nahita ny fahazotoan’i Atoa Amelison Bruno. Monina eo amoron’ny Lalam-pirenena izy, voahodidina manga vitsivitsy ny tanànany. Ao amin’ny fokontany Tsarahonenana, ao anatin’ny sahandriaka-Befotoana, kaominina Marosakoa (faritra Boeny) no misy azy, ary nahavita nanova ny tokotaniny ho tanimbary nasiana vary an-tanety izy.
Noho ny teknika tsotra, mora ampiharina ary tsy lafo, nentin’ireo ekipa mpitantsoroka eny ifotony, ADP na Assistant de Proximité, dia nandray andraikitra i Atoa Bruno ka nanamboatra irery ny toerana misy azy. Tamin’ny fanohanana ara-teknika kely, torohevitra ary ny fitaovany manokana dia nahavita tsara ny asa izy.
Ankehitriny, mirehareha izy amin’ny ezaka nataony sy ny vokatra efa azo tsapain-tanana azony, no sady miandry amim-pifaliana ny fotoam-piotazana. 🌾🌾🌾
💡💡💡Ankoatra izany, nanomboka nampitombo ny fidiram-bolany ihany koa i Atoa Bruno tamin’ny alalan’ny famokarana sy fivarotana zezika ranoka, taorian’ny fiofanana azony tao anatin’ny Saha Sekolin’ny Tantsaha (Champs Écoles Paysans). Ity hetsika ity dia manamafy bebe kokoa ny fahaizany mamorona asa sy mivelona eny ambanivohitra.
Ohatra iray tsara amin’ny fanavaozana eny ifotony ho an’ny fampandrosoana maharitra izany.
-----
🇨🇵 Agir autrement et penser durablement
🌾🌾🌾Notre équipe a été agréablement surpris par la motivation de M. Amelison Bruno. Il a réussi à transformer la petite cour de sa maison en rizière pluviale. Sa maison se situe au bord de la route nationale, entourée de quelques manguiers, dans le fokontany de Tsarahonenana, au sein du micro-bassin de Befotoana, dans la commune de Marosakoa (région Boeny).
En suivant des techniques simples et peu coûteuses présentées par nos assistants de proximité, il a décidé d’aménager lui-même son espace de vie. Avec un peu de soutien et des conseils techniques, ainsi que ses propres moyens, il a pu mener à bien cette activité.
Aujourd’hui, M. Bruno est très fier du travail accompli et des résultats obtenus. Il attend maintenant avec impatience la période de récolte. 🌾🌾🌾
💡💡💡M. Bruno a également commencé à augmenter ses revenus en produisant et en vendant du compost liquide, grâce à la formation qu’il a suivie dans les Champs Écoles Paysans. Cette initiative constitue une étape supplémentaire qui renforce sa capacité à entreprendre en milieu rural.
GIZ Madagaskar
Ambassade d'Allemagne Antananarivo
15/05/2026
30/04/2026
🇲🇬Ndao hiaraka aminay : amin'ny 5 mai indray isika mifankahita eny Ankatso! Tongava maro! (Tsy misy vidim-pidirana)
-----
🇨🇵 Allons-y :) ce sera votre prochain rendez-vous avec PADDI: on se voit à Ankatso le 5 mai, venez nombreux (entrée gratuite)
GIZ Madagaskar
Ambassade d'Allemagne Antananarivo
🇪🇺 Semaine de l’Europe 2026
À l’occasion de la Semaine de l’Europe, l’Equipe Europe a le plaisir de vous convier à la "Journée des projets" le 5 mai 2026 à l’Esplanade Ankatso de l'Université d’Antananarivo.
Cet événement mettra à l’honneur les priorités communes entre l’Union européenne et Madagascar, notamment en matière de jeunesse, d’employabilité, de transition verte et de coopération.
Au programme : stands d’information, tables rondes, activités interactives et animations culturelles.
🕣 Ouvert à tous de 8h30 à 17h00
👉 Nous vous y attendons nombreux
Les Infos de l'Université d'Antananarivo
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the organization
Telephone
Website
Address
PADDI GIZ, Enceinte SOANALA/MEDD Ambatobe
Ambatobe
101