Dredd Atsimo Andrefana

Dredd Atsimo Andrefana

Share

Photos from Dredd Atsimo Andrefana's post 01/06/2026

🇲🇬FANANGANAN-TSAINA SY FANOKAFANA OFISIALY NY FANKALAZANA NY FETIM-PIRENENA 2026

🗓️ Notanterahina androany 01 Jona 2026 ny lanonana fananganan-tsaina sy fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny Fetim-pirenena 2026, notarihin’Andriamatoa Préfet, niarahana tamin’ireo Sampan-draharaham-panjakana rehetra eto amin’ny Faritra Atsimo Andrefana
🌿 Nandray anjara tamin’izany ny teto anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD) Atsimo Andrefana, notarihin’Andriamatoa Tale niaraka tamin’ireo mpiara-miasa rehetra.
🎇Nanamarika ny fanombohan’ireo hetsika samihafa ho fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara ity lanonana ity , entina hanamafisana ny firaisankina sy ny fitiavan-tanindrazana ary ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fampandrosoana ny firenena.
🇲🇬 "Ny firaisantsika no hery, ny fitiavan-tanindrazana no antoky ny fampandrosoana."

Photos from Ministère de l'Environnement et du Développement Durable's post 01/06/2026
Photos from Dredd Atsimo Andrefana's post 23/05/2026

🌿 FARITRA AROVANA MIKEA : TRATRA INDRAY NY FITRANDRAHANA LONGRINE TSY ARA-DALÀNA ROA SOSONA 🚨

🔹 Nandritra ny 19 sy 20 Mey 2026 dia mbola nisy tambajotra mpitrandraka hazo longrine tsy ara-dalàna roa sosona indray sarona tao an-tampon-tanànan’i Milenaka sy tany amin’ny Ampihamy an'ala, ao anatin’ny Faritra Arovana Mikea.
🔸 Longrine miisa 147 no tratra nandritra ireo hetsika natao. Maneho mazava izany fa tsy misy intsony ny fandeferana manoloana ireo asa fanimbana ny harena voajanahary.

🔹 Mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa sy ny firaisankinan’ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Porofo izao fa rehefa miray hina ny rehetra dia tsy misy afa-bela ireo mpandringana ala sy mpandroba ny harena voajanahary.
Vokatry ny fiaraha-mientan’ny:
OPJ Forestier avy amin’ny DREDD Atsimo Andrefana,
ny mpitandro filaminana,
Madagascar National Parks (MNP) mpitantana ny Faritra Arovana Mikea,
ary ny Fikambanana FARAFATSI,
no nahafahana nanatanteraka izao hetsika nahomby izao.

⚖️ Taorian’ny fanadihadiana dia efa natolotra ny fitsarana ireo tompon’antoka voasambotra ary napetraka ambany fanaraha-mason’ny fitsarana mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.
🌱 Tandindomin-doza ny hoavin’ny taranaka raha mbola mitohy izao fanimbana ny ala izao. Reharehan’ny faritra sy ny firenena anefa ny Alan’i Mikea, izay voasokajy ho “Patrimoine Mondial”, ka mendrika harovana sy tandrovina.

🙏 Mankasitraka ireo vahoaka sy mpiara-miombon’antoka rehetra efa resy lahatra sy miara-misalahy amin’ny fiarovana ny zava-boary sy ny tontolo iainana.

Want your organization to be the top-listed Government Service in Tulear?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Telephone

Website

Address

Toliara Centre
Tulear
601