Antimo Record FC

Antimo Record FC

Share

26/04/2026

ANTIMO RECORD FC: VITA NY ADY, TOLIARA RAIKY AVAO! ⚽️🔥
Voalohany indrindra dia fisaorana bevata no atolotra ny vahoakan'i Toliara iray manontolo: niray fo, niray saina, ary niray hery nanohana sy ny vavaka ho an'ny ekipa ary na dia tsy nanohana aram-bola dia nanohana ara-kevitra🙏
Ho an'ireo mpanakiana, mpanaratsy, ary ireo niezaka nanakorontana (déstabilisation) sy nampisaraka anay kosa: lasa hery nanosika anay ireny, ary vao maika nampitombo ny firaisankinanay. Tsy hanaiky ho rava velively izahay! 💪
✅ Vita ny ady, nifarana ny taom-pilalaovana, ary nifarana tamin'ny fandresena izany! Ny tena zava-dehibe: TSY LATSAKA (relégué) ao amin'ny D2 isika! Marina fa maro ny lesoka tokony harenina, maro ny sedra sy ny sompatra nolalovana, fa tsy natao handavo iaby raha iaby izay!
Manao fisaorana bevata manokana ho an'ny Président-nay izahay. 👏
Miady raiky iha Président hanasoavana sy hanandratana an'i Toliara. Na dia fantatra aza fa tsy hampidi-bola aminao ny baolina kitra, ny fitiavanao an'i Toliara sy ny fanatanjahantena ary tanora eto amintsika no nibaiko anao hitraka. Na teo aza ireo nanao izay fomba rehetra hanakiviana anao, mbola nitsangana avao iha! Tsy nilavo lefona ianao fa nitady vahaolana hatrany ary nijoro ho an'ny ekipa. Misaotra betsaka PrésidentTafit'anbinintsoa Avotsiniaina!!!
Fankasitrahana ihany koa ho an'ireo Coach (Mpanazatra) 🧠: niaritra teny mahery, nanampy, nanoro ary niafy ho an'ny ekipa. Nataonareo hery ireny rehetra ireny mba hitondrana fahaizana sy hikitrahana ny fandresena!
Ary farany, misaotra betsaka an'ireo Mpilalao (Joueurs) mahery fo 🏃‍♂️: niezaka, niady na tamin'ny sarotra, nifankatia, ary niray hina nahazoana izao vokatra izao!
Zanak'i Toliara izahay! Toliara raiky avao! Voninahitr'i Toliara ty ialianay! Nataonay hery ny fanakianana, ary mbola hitohy ny dia.
Vokan-dalao J14 :
COSPN 0_1 ANTIMO RECORD FC

Misaotra tompoko! 🌊🖤❤️

19/04/2026

NEXT GAME 🏟️⚽



📅 ALAROBIA 22 APRILY 2026
🆚️ DISCIPLES FC
🕛 14H00
🏟️ STADE VÉLODROME
Mbola mijoro, mbola vonona hiady hatrany ary Fantanay fa tsy misy
toerana ho an'ny filavona lefona.


⚫🔴

Want your business to be the top-listed Event/venue in Tulear?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address

Anketas
Tulear