Projet PTASO
12/12/2025
📍𝘛𝘰𝘭𝘪𝘢𝘳𝘢, 08 𝘥𝘦𝘴𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2025
𝗧𝗘𝗧𝗜𝗞𝗔𝗦𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗗𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗜𝗡𝗗𝗢𝗦𝗧𝗥𝗜𝗔 𝗡𝗬 𝗩𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗕𝗢𝗟𝗘𝗡𝗔 𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗧𝗦𝗜𝗠𝗢 𝗔𝗡𝗗𝗥𝗘𝗙𝗔𝗡𝗔 (𝗣𝗧𝗔𝗦𝗢)
📌Fidinana voalohany nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, teny ifotony ny diany tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana vao tsy ela izay. Taorian' ny dinika nifanaovany tamin' ireo tompon'andraikitry ny tetikasa PTASO dia nanohana tanteraka ny fanatanterahana ny Tetikasa ho an’ny Fampandrosoana ny Fanodinana ara-indostria ny vokatry ny Fambolena any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana na PTASO ny tenany. Mitondra fampandrosoana ary manome lanja ny rojom-piharian’ny faritra ny tetikasa.
✅Tao aorian' izay moa dia nidina tany an-toerana ny teto anivon' ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina nanamafy ary nanafaingana ny asa rehetra mifandray amin’ny tetikasa.
Nisy ihany koa ny fivoriana nampivondrona ireo mpikambana ao amin'ny komity mpitantana ny tetikasa (COPIL) mba handinika ny fivoaran' ny asa sy ny fankatoavana ny drafitry ny asa ary ny teti-bola (PTBA) ho an’ny taona 2026.
🕹️Tsara homarihina fa ny Tetikasa PTASO izay eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, ary misitraka famatsiam-bola avy amin'ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana dia mikendry ny hametraka ny fotodrafitrasa ilaina amin'ny fampandrosoana ny Parc Agro-Industriel (PAI) sy ny Centre d'Agri-Business (CABIZ) ao amin'ny faritra Atsimo Andrefana. Hampihena ny fanafarana vokatra avy amin'ny fambolena sy ny fanatsarana ny fiarovana ara-tsakafo eto Madagasikara.
Mifanindran-dalana amin'izany, nanantitrantitra ny Tale Jeneralin'ny Indostria, RAZAFINDRAZAKA Nainanirina, fa miankina amin’ny fanarahana antsakany sy andavany ny fe-potoana izay napetraka ny mpandray anjara tsirairay no antoka ahatratrarana ny fahombiazan'ny tetikasa.
-----------
📍𝘛𝘰𝘭𝘪𝘢𝘳𝘢, 8 𝘥𝘦́𝘤𝘦𝘮𝘣𝘳𝘦 2025
𝗣𝗥𝗢𝗝𝗘𝗧 𝗗𝗘 𝗗𝗘́𝗩𝗘𝗟𝗢𝗣𝗣𝗘𝗠𝗘𝗡𝗧 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗧𝗥𝗔𝗡𝗦𝗙𝗢𝗥𝗠𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗔𝗚𝗥𝗢-𝗜𝗡𝗗𝗨𝗦𝗧𝗥𝗜𝗘𝗟𝗟𝗘 𝗗𝗔𝗡𝗦 𝗟𝗔 𝗥𝗘́𝗚𝗜𝗢𝗡 𝗗𝗨 𝗦𝗨𝗗-𝗢𝗨𝗘𝗦𝗧 𝗗𝗘 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗖𝗔𝗥 (𝗣𝗧𝗔𝗦𝗢)
📌Le Président de la Refondation de la République de Madagascar, le Colonel Michaël RANDRIANIRINA, a récemment effectué une première descente sur terrain dans la région Atsimo Andrefana. À l’issue des échanges qu’il a eus avec les responsables du projet PTASO, il a exprimé son soutien total à la mise en œuvre du Projet de Développement de la Transformation Agro-industrielle dans la région du Sud-Ouest (PTASO). Ce projet vise à promouvoir le développement économique et à valoriser les chaînes de valeur locales.
✅ A la suite de cette descente, une délégation du Ministère de l’Industrialisation et du Développement du Secteur Privé s’est rendue sur place pour renforcer et accélérer toutes les actions liées au projet. Aussi, une réunion a été organisée avec les membres du comité de pilotage (COPIL) afin d’évaluer l’état d’avancement des travaux et d’approuver le plan de travail et le budget annuel (PTBA) pour l’année 2026.
🕹️Il convient de noter que le projet PTASO, placé sous la tutelle du Ministère de l’Industrialisation et du Développement du Secteur Privé et bénéficiant d’un financement de la Banque Africaine de Développement, a pour objectif de mettre en place les infrastructures nécessaires au développement du Parc Agro-Industriel (PAI) et du Centre d’Agri-Business (CABIZ) dans la région Atsimo Andrefana. Ce projet contribuera à réduire les importations de produits agricoles et à améliorer la sécurité alimentaire à Madagascar.
Par ailleurs, le Directeur Général de l’Industrie, Nainanirina RAZAFINDRAZAKA, a souligné que le respect rigoureux des délais fixés par chaque partie prenante est la clé de la réussite du projet.
13/02/2025
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
Toliary