Vaovao Ranohira
28/05/2026
🔴𝗦𝗘𝗙𝗢 𝗙𝗢𝗞𝗢𝗡𝗧𝗔𝗡𝗬 : 𝗛𝗼 𝘁𝗲𝗻𝗱𝗿𝗲𝗻𝗮 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗽𝗮𝗵𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝘃𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼 𝗵𝗼 𝗿𝗮𝗶𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻-𝗱𝗼𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻' 𝗻𝘆 𝗺𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝘁𝗶𝘁𝗮𝗻𝘆.
✔️Any amin’ny fikaonandoham-pirenena vao ho faritana ny momba ny sata mifehy ny fokontany sy ny mahakasika ny fifidianana sefo fokontany ho avy.
✔️Tsy manakana ny fifampidinihina sy ny fifampiresahana amin’ny sehatra samihafa anefa ny fanendrena ataon’ny distrika na ny prefektiora ny sefo fokontany amin’izao io hoy ny fanazavana.
Source: I-BC
Vaovao Ranohira ™️
12/05/2026
🔥🚨 HANTAVIRUS tao anaty sambo :
olona dimy no voamarina fa maty ary heverin’ny OMS fa mbola mety hisy tranga hafa hipoitra 🚨🔥
📌 Nambaran’ny OMS (sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana) fa efa “nampandre” ireo firenena roa ambin’ny folo izay nisy olom-pireneny nidina tao Sainte-Hélène, avy any Argentine hihazo an'i Cap vert ity sambo ity.
📌 Ny 24 aprily 2026, mpandeha miisa 30 no niantsambo nandritra ny fijanonany tao amin’io nosy io.
“Ezahinay fantarina sy arahina avokoa ireo mpandeha sy mpikambana ao amin’ny ekipazy izay niakatra sy nidina tamin’ireo toerana nijanonan’ny MV Hondius nanomboka ny 20 martsa,” hoy ilay orinasa mpikarakara fitsangantsanganana an-dranomasina holandey tao anaty fanambarana iray.
📌 Ireto kosa ireo firenena voatanisa manana olom-pireneny tao : Danemark, Allemagne, Pays-Bas, Nouvelle-Zélande, Saint-Kitts-et-Nevis, Singapour, Suède, Suisse, Turquie, Royaume-Uni ary Etazonia.
©️: Antsiva Radio 97.6 FM 📻
Vaovao Ranohira ™️
10/05/2026
📌 Tovolahy iray mpianatra ao amin'ny taranja Sociologie, Oniversiten'Antananarivo, nanao voyage d'étude no namoy ny ainy raha nilomano teo amin'ny plage Kimony androany maraina.
Hiainga anio ihany ho aty ny razana ka horaisin'ny Fanjakana an-tànana ny fikarakarana sy ny fandefasana azy araka ny tenin'i Ministra ny tontolo iainana.
Ity farany izay tonga teny amin'ny Hôpital ,nijery an'izany loza izany ary nitsidika ireo mpianatra hafa izay mbola manaraka fitsaboana.
📸 Joe Kamamy Modestin
Vaovao Ranohira ™️
09/05/2026
🧹✨ FANOKAFANA ARA-POMBA OFISIALY NY “DIO HAZAVA” ETO RANOHIRA ✨🧹
📅 09 Mai 2026
🤝 Niaraha-nanatanteraka tamin’ny GEN Y Ranohira–Isalo
🌿 Notanterahina tamin-kafaliana sy tamim-pomba ofisialy teto Ranohira ny fanokafana ny hetsika “DIO HAZAVA”, izay hetsika goavana mikendry ny fandiovana faobe ny tanànan’i Ranohira mandritra ny iray volana manontolo.
🏘️ Tanjona lehibe amin’ity hetsika ity ny fanatsarana ny fahadiovan’ny tanàna, ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka ary ny fanentanana ny rehetra handray anjara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fananana tanàna madio sy mendrika.
👥 Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izao fanokafana izao ireo manampahefana sy olo-manankaja isan-tsokajiny, ka anisany :
🔹 Ny Filoha Nasionalin’ny GEN Y eto Madagasikara
🔹 Ny Talem-paritry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy eto Ihorombe
🔹 Ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Ranohira
🔹 Ireo tompon’andraikitra sivily sy miaramila ary ireo vahoaka maro samihafa.
🚶♂️🚶♀️ Niainga tamin’ny diabe namakivaky ny tanànan’i Ranohira ny hetsika, ho mariky ny firaisankina sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna.
🎤 Tao amin’ny Grande Place Ranohira no nanaovana ny lanonam-panokafana ofisialy, niarahana tamin’ireo lahateny fanentanana sy fanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fahadiovana ho an’ny fampandrosoana sy ny fahasalamam-bahoaka.
🌟 Ny “DIO HAZAVA” dia tsy hetsika tsotra ihany, fa antso avo ho an’ny rehetra mba samy handray andraikitra amin’ny fitandroana fahadiovana sy fanomezana endrika vaovao sy mamirapiratra an’i Ranohira.
🇲🇬 “Tanàna madio, vahoaka salama, hoavy mamiratra.”
@ GEN Y Ranohira ofisialy
Vaovao Ranohira ™️
08/05/2026
🤔‼️FIFANINANANA MIHINAM-BARY
Izy no nibata ny fandresena. Vary 4 kapoaka + tsaramaso sy hena ary rano 1 zinga.
👉 Natao tao Ambonihoraka Vavatenina moa izy ity
Firy kapoaka no laninao ?
Vaovao Ranohira ™️
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
101