Fianarantsoa Info-Line
11/04/2025
Nous sommes interpellés par les atteintes aux droits humains fondamentaux
10/04/2025
Ambalavao Tsihenimparihy - Ankizy vavy 2 nilentika an-drano, hita tsy misy aina avokoa.
Samy mpianatra ao amin'ny EPP Avaramanda izy 2 ireto, nikasa hilalao rano amin'ny dobo eo ambanin'ny Sekoly rehefa rava nianatra, dobo efa natao kariera taloha ka tena lalina dia lalina.
Hanavotra ny namany ny iray dia niara-nilentika nanomboka tamin'ny 4:30 tolakandro.
Tamin'ny 6ora hariva no hita ny iray izay mipetraka ao Vatofotsy, tokony ho 10 taona eo, raha tamin'ny 7:15 hariva kosa no nahitana ny iray mipetraka ao Ambalasoa.
Mankahery indrindra ny fianakavian'izy ireo!
26/03/2025
Tamin’ny alahady tolakandro teo ity tranga ity tao Ivoay, kaominina Ambalakely, distrikan’i Lalangina.Omby miisa 7 no maty nilatsaham-potaka (varatra).
Niaraka nialoka teo ambany lavarangana ireo omby ireo satria nisy oram-be tany an-toerana.
Nandritra io ora-mikija io no nilatsaham-baratra ny omby ka maty tsy tra-drano avy. Tsy nisy zavatra hafa simba na ain’olona nafoy tamin’io fotoana io fa ny omby no lasibatra.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Fianarantsoa
500