Lova Razafindrafito
30/10/2025
Napetraka teo anivon’ny Bianco ny Fanambaram-pananana rehefa nifarana ny andraikitra nanendrena ny tena…
Satria moa Miova ny FAHEFANA dia:
🔸Miarahaba ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’ i Madagasikara izay hitantana ny Firenena ny Tenako ary Mitsodrano Azy amin’ny Adidy Mavesatra izay Ho Sahaniny.
🔺Ny Tenako kosa dia MAMETRA-PIALANA noho izay Rafitra Vaovao izay.
Etoana aho dia:
🔸Maneho Fisaorana ny Filohampirenena izay Nanendry ahy ho Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony nandritra izay 6 Taona izay.
🔸Mankasitraka antsika Vahoaka rehetra Tsy ankanavaka tamin’ny Fiarahamiasa ho tombontsoan’ny Faritra.
🔸Mankasitraka ireo Mpiara-miasa ,Mpiara-miombon’antoka rehetra nanome tolo-tanana Amin’ny asa niandraiketana nankadiry.
🔹Mety Nisy ny Tomombana ,nety nisy kosa ny Tsy nety fa izay no mba kely Vita ho an’ny Firenena izay mbola mila Fanarenana Goavana.
▪️Manaja ny Lalàna Velona ny Tena Ary mitazona hatrany ny Éthique izay fototry ny Maha Olom-pirenena Vanona.
Farany:
❤️Mamihina mafy Ampitiavana ny Vady aman-Janako aho tamin’ny Fanampian’izy ireo ahy tamin’ny Andraikitro.
Ny Taratasy Fametraham-pialana moa dia nalefa eo anivon’ny Minisitera Mpiahy ary mamindra ny fitantanana vonjimaika amin’ny Sekretara Jeneralin’ny Faritra Matsiatra Ambony.
🇲🇬SAMIA SAMY HO TSARA …AMPANAJANA🙏
Manasa antsika rehetra e…NDAO
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the public figure
Address
Fianarantsoa
301