Net Build
21/03/2024
Faly miarahaba Ny Géomètre Expert rehetra noho izao andro manerantany ho an'ny Géomètre izao
🌟 21 mars: Andro manerantany ho an'ny Mpandrefy Tany 🌟
🔎Indro entinay aminareo ny momba ny asan’ny mpandrefy tany mpahay, amin'izao fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny mpandrefy tany izao.
🟩 Ny asan'ny mpandrefy tany mpahay dia mitaky fahalalana ara-teknika sy fahaiza-manao.
Manaraka fiofanana eny amin’ny Sampam-pianarana IGAT ESPA Vontovorona, ka mahazo ny diplaoma maha Injeniera ary manaraka fiofanana roa taona any amin’ny Sampandraharahan’ny Fandrefesantany sy any any amin’ny Cabinet privé ireo izay te hanao ny asa maha Mpandrefy tany mpahay.
🟩 Araka ny lalàna 2021-004 tamin'ny jona 2021 izay manambara fa ireo Mpandrefy tany mpahay vita fianianana ihany no afaka manao ny asa fandrefesan-tany, ary enjehin'ny lalàna ireo izay minia manatanteraka izany asa izany kanefa tsy misoratra ao anatin'ny lisitry ny Mpandrefy tany Mpahay. Noho izany dia tsy maintsy miroso amin’ny fianianana eo anivon’ny Fitsarana ambony izy ireo mialohan’ny idirana amin’ny sehatry ny asa sy aha-matihanina amin’izay.
🟩Ny asa atao dia mivelatra amin’ny lafiny rehetra toy ny fandrefesan-tany, làlana, tetezana, …
Mpanolo-tsaina, mpitantana ary mpanatanteraka asa izay no azo hilazana ny mpandrefy tany mpahay.
♦️♦️Ho an’i Madagasikara, dia mivondrona anatin’ny Holafitry ny Mpandrefy tany mpahay na ny Ordre des Géomètres Experts de Madagascar ny Mpandrefy tany mpahay rehetra, ary miisa 346 izy ireo ankehitriny.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Contact the business
Telephone
Website
Address
Antananarivo
103
Opening Hours
| Monday | 09:00 - 16:00 |
| Tuesday | 09:00 - 16:00 |
| Wednesday | 09:00 - 16:00 |
| Thursday | 09:00 - 16:00 |
| Friday | 09:00 - 16:00 |
| Saturday | 09:00 - 12:00 |