APIPA

APIPA

Share

Photos from APIPA's post 19/05/2026

🌊🚜 LAKANDRANO ANDRIANTANY 🚜🌊.

🤝 Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny APIPA sy ny SMA amin’ny fanadiovana ireo lakandrano eto Antananarivo, ho fiarovana ny tanàna sy ny mponina ao aminy 🌧️🏘️.

📍 Teto amin’ny Lakandrano Andriantany no nanatanterahana ny asa fanadiovana, miainga eo Soanierana mankany amin’ny Pont Namontana, ary avy eo Soanierana hatrany amin’ny pont Anosibe amin’ny lalamby 🚧💧

⚙️ Andro maromaro no nanaovan’ny ekipa niara-nisalahy nanala ireo loto sy fako niangona tao anaty lakandrano, mba hisorohana ny fahatsetseman’ny fivoahan’ny rano eny amin’ireo faritra iva 🌿🚛🏗️.

✨ Izao fanadiovana izao dia natao satria ny lakandrano madio dia manampy amin’ny fiarovana ny tanàna, ny fananan’olona ary ny ain’ny mponina 💪🌍.

🙌 Koa manentana antsika rehetra:

🚯 Aza manary fako anaty lakandrano!

🌱 Hajao ny fahadiovan’ny tanàna!

🤲 Samy handray andraikitra amin’ny fiarovana ireo fotodrafitrasa iombonana.

💙 Lakandrano madio, tanàna voaaro, fiainana milamina ho an’ny rehetra.

-

Photos from APIPA's post 29/04/2026

🌊 ASA FANADIOVANA LAKANDRANO – MITOHY HATRANY

Mitohy tsy miato ny asa fanadiovana lakandrano eto Antananarivo sy ny manodidina, ho fiantohana ny fivezivezen’ny rano sy hisorohana ny sakana mety hanentsina ny fikorianany.

📍 Manao ny asa fanadiovana sy fanesorana fako amin’ny lakandrano eny Manarintsoa, voromdamba ary Ampefiloha, indrindra amin’ireo faritra manamorona sy manodidina ny lakandrano.

⚠️ Na dia efa nodiovina aza ny toerana, dia mbola misy hatrany ny fako miverina ao anaty sy manamorona ny lakandrano isan-kerinandro.

👉 Midika izany fa tsy ampy ny fanadiovana raha tsy misy ny fiaraha-mientan’ny rehetra.

🤝 AOKA SAMY HITANDRO NY FAHADIOVANA 🌿, SATRIA REHEFA TSY MANDOTO IANAO 🚫🗑️ DIA EFA NAMANY MANAMPY NY ASA FANADIOVANA 🤝🌊.

🚫 AZA MANARY FAKO ANATY LAKANDRANO 🌊🗑️❌

-

Want your organization to be the top-listed Government Service in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Telephone

Website

Address

Lot IVW 18E Anosizato Est
Antananarivo
101