T.N. Firm
27/01/2025
L'avenir ne prévoit pas, ils se préparent.
Ny hoavy dia tsy sanjila!
Ny hoavy dia tsy izay ataon'Andriamanitra!
Fa ny hoavy dia valin'izay fanomanana homaninao anio.✍️
Ka Inona ary no ataonao Ankehitriny?!
Inona ny fanampahan-kevitra raisinao Ankehitriny?!
Inona ny hetsika ataonao Ankehitriny?!
Mba hahatonga ny HOAVINAO MAMIRATRA⭐✨
Miankina aminao ny fiainanao sy ny hoavinao !
Miankina fanomanana ataonao Ankehitriny 💪🕛
Ny Ankehitriny dia valin'izay fanomanana nataoko tany aloha,
Ary ny Ankehitriny no entiko hanomanana ny hoaviko aoriana Kely ao 🏆🧲💸
Eo ampelan-tananao ny hoavinao !
Mahaiza manomana azy tsara !
Tanora tsara fiary, antitra manankianteherana!
"Izay ataoko, mety daholo"
26/01/2025
Tout ce qui est impossible reste à accomplir.
Défi ny fiainana !
Raha manao zavatra enao ka lazain'ny olona fa tsy ho vitanao io...
Vao maika ampiakaro ny ambompo ary asehoy fa ny anao no marina ary diso izy 😎
Izay rehetra avoakan'ny vavan'ny olona dia marina fa ho an'ny tenany ihany.
Raha miteny izy fa "impossible" izany, dia fantaro fa impossible ho azy fa "POSSIBLE" Ho anao kosa anefa matoa irianao ho tanterahana....🏆🧲
Firifiry ny Olona teto no nolazaina fa impossible ny mihazakazaka latsakin'ny 4min/km.... Ankehitriny misy olona 200.000isa isan-taona mahavita mihazakazaka 2min-4min isakin'ny km.
Firifiry ny olona teto no nolazaina fa fa tsy possible ny hahatafitana eto Madagasikara, Ankehitriny firifiry ny olona lasa milliardaire isan-taona😊💸
Dikany, TOUT EST POSSIBLE.
Izay possibilité izay dia miankina aminao sy ny haben'ny finoanao ary ny nofinofinao 🧲🏆
Aza miheno be loatra ny hafa, fa vitao ary tanterao ny nofinofinao mba hihisy ho tantaranao amin'ireo taranakao😎
"Izay ataoko, mety daholo"
21/01/2025
Le futur appartient à ceux qui voient les opportunités avant qu'elle ne deviennent évidentes .
Mila manana Fijery miabo raha te hahita Vokatra miavaka eo amin'ny fiainana.
Ny Olona mahavita mijery "côté positive" ny zavatra iray mialohan'ny rehetra FOANA no TAFITA mialohan'ny rehetra 😁✍️
Ny faiza-manao an'isany mila hifotorana dia ny mianatra hoe: na Inona zavatra misy, ahoana no ahahatonga ahy hahita ny lafitsaran'izay zavatra mipoitra eo foana 🏆🧲
Fa rehefa mifantoka amin'izay lafitsaran'ny fiainana izay enao, dia lasa misintona zavatra tsara foana....✍️
Hany ka, lasa feno fahatsarana ny fiainanao ary izany rehetra izany no hahitanao fihan'io fiainana io 💐
Mitiava mijery ny lafitsara,
Mitiava mijery"côté positive"
Mitiava fiainana feno fahombiazana sy miabo isan'andro isan'andro 💪
"Izay ataoko, mety daholo"
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
Analakely
101